<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Faly dia faly FFPM539</title>
<lyrics>[V1]
 Faly dia faly izahay
 mpanomponao
 Izay mihira eto anatrehanao ;
 Fa be fiantra Hianao, ry Jeso
 Tompo tianay !
 Ka feno haravoana tokoa
 izahay :
 Faly dia faly izahay
 mpanomponao
 Izay mihira eto anatrehanao.

[V2]
 Ela dia ela no nandavanay
 Anao,
 Be ny zava-dratsy efa vitanay,
 Na diso aza izahay, anefa faly
 aminao,
 Fa afakao ny helokay, ry
 Tompo tianay !
 Faly dia faly ..sns.

[V3]
 Sarotra tokoa ny alehanay
 izao ;
 Be ny alahelo iaretanay ;
 Na ory aza izahay, dia mbola
 faly aminao,
 Fa levonao ny tahotray, ry
 Tompo tianay !
 Faly dia faly ..sns.

[V4]
 Manantena tsara izahay
 mpanomponao
 Mba handray ny zaza
 tehirizinao ;
 Rehefa maty izahay ka entinao
 an-danitra,
 Ho azonay ny lova soa
 hatolotrao anay ;
 Faly dia faly ..sns.</lyrics>
<hymn_number>539</hymn_number>
</song>